Fambolen-kazo sy Fanadiovana ny Moron-dranomasina ao Mahajanga: Hetsika ho an’ny Tontolo Iainana sy ny Fampiroboroboana ny Fizahantany
Changement climatiqueEnvironnement


Nitarika ity hetsika ity Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’Andriamatoa Minisitra
Max Andonirina Fontaine, ireo vehivavy tompon’andraikitra ambony ary ny mponin’i Mahajanga.


Zava-dehibe ny fanomezana endrika ny tanàna amin’ny alalan’ny fambolen-kazo tahaka izao sy ny fahadiovan’ny sisin-dranomasina satria misarika mpizahatany izany, izay mitondra tombony ho an’ny fiharian’ny mponina sy ho an’ny faritra.


Ny fandotoana avy amin’ny fako plastika dia loza ho an’ny tontolo iainana an-dranomasina sy ireo zavamananaina ao aminy ka ilaina hatrany ny fitandremana izany.
Date de publication : 10 mars 2025