Fambolen-Kazo Tao Amin’ny Allée des Baobabs – Morondava: Fianakaviamben’ny Loholona Nanatanteraka Fandraisana Anjara Mahery Vaika amin’ny Fikarakarana Tontolo Iainana
Aires ProtégéesBiodiversitéEnvironnement


Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny Allée des baobabs – Morondava ny fianakaviamben’ny Loholona eto Madagasikara ny 22 martsa 2025.

Zanakazo 10.000 fototra no novolena tamin’ny velaran-tany 12 Ha, izay nahitana Reniala 1.000, Tainakanga 1.000 ary Anakaraka 8.000. Nitarika ity fambolen-kazo ity ny Loholona voafidy tao amin’ny Faritanin’i Toliara, Andriamatoa Mahonjo Hugues, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Morondava, tompon’andraiki-panjakana maro, ny mpitandro ny filaminana ary ny mponina ao an-toerana.
Date de publication : 25 mars 2025