🌳🌿Fanamby iray lehibe anamafisana ny 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 ny fampiroboroboana ny 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗴𝗼𝘃𝗼 𝗺𝗮𝗱𝗶𝗼 eny anivon’ireo orinasa isan-tsokajiny sy ny tokatrano tsirairay.
🌿Ny orinasa #FLORAMAD, orinasa mpamokatra 𝗹𝗼𝗵𝗮𝗺𝗲𝗻𝗮𝗸𝗮 ao 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮, dia efa misehatra tanteraka amin’ny fampiasana izany angovo madio izany. 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗸𝗶𝘁𝗮𝘆 intsony izy ireo fa ny fakon’ireo ravinkazo izay ahodiny ho lohamenaka ihany no ampiasaina ho lasa angovo manodina ny alambika amokarana lohamenaka. Ny tetikasa PIC3 no namatsy ity fitaovana ity.
🌿🌱Toa izay ihany koa ny 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗡𝗼𝘀𝘆 𝗠𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 ao 𝗩𝗼𝗵𝗶𝗽𝗲𝗻𝗼, izay manokatra “𝗲́𝘁𝗵𝗮𝗻𝗼𝗹” avy amin’ny fary. Tsy mampiasa kitay intsony ihany koa ity orinasa ity fa ny faikana fary avy nahodiny ihany no ataon’izy ireo solona kitay.
🌳🌳Mandray anjara lehibe amin’ny fiarovana ny ala ny fampiasana fitaovam-pamokarana mihodina amin’ny 𝗮𝗻𝗴𝗼𝘃𝗼 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 tahaka izao ka ezahina ny hanaparitahana izany hoy Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine nandritra ny fitsidihany ireto orinasa ireto.🌿