𝟮𝟰 𝗮𝘃𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟱 – Notanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny andiany faha-dimy amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Governemantan’ny Commission de l’océan Indien – Indian Ocean Commission. Nampiavaka ny lanonana ny fanatrehan’ireo Filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny COI dia i Kaomoro, Madagasikara, Seychelles, Nosy Maorisy ary Nosy la Réunion izay iadidian’ny Frantsa. Niompana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny lohahevitr’ity Fihaonana an-tampony ity, izay mifanojo amin’ny laharam-pahamehan’i fitondram-panjakana Malagasy. Taorian’ny lanonam-panokafana dia nitohy avy hatrany tamin’ireo adihevitra sy fikaonan-doha an-databatra boribory izany fihaonana an-tampon’ny izany.

Date de publication : 25 avril 2025

Suivre d'autres actualités