🌿🌳Hanomezana endrika tsara ny village touristique ao Mahajanga dia novolena voanio 53 fototra manamorona ny arabe ao an-toerana ary nodiovina ihany koa ny moron-dranomasina. Hetsika izay mirindra amin’ny fankalazana ny 8 martsa taterahina ao Mahajanga.🏖
🌿🌱Nitarika ity hetsika ity Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine, ireo vehivavy tompon’andraikitra ambony ary ny mponin’i Mahajanga.
🌳🏖Zava-dehibe ny fanomezana endrika ny tanàna amin’ny alalan’ny fambolen-kazo tahaka izao sy ny fahadiovan’ny sisin-dranomasina satria misarika mpizahatany izany, izay mitondra tombony ho an’ny fiharian’ny mponina sy ho an’ny faritra.
🌳🏖Ny fandotoana avy amin’ny fako plastika dia loza ho an’ny tontolo iainana an-dranomasina sy ireo zavamananaina ao aminy ka ilaina hatrany ny fitandremana izany.
Date de publication : 10 mars 2025

Suivre d'autres actualités