🌿🌱Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny Allée des baobabs – Morondava ny fianakaviamben’ny Loholona eto Madagasikara ny 22 martsa 2025. 🌱Zanakazo 10.000 fototra no novolena tamin’ny velaran-tany 12 Ha, izay nahitana Reniala 1.000, Tainakanga 1.000 ary Anakaraka 8.000. Nitarika ity fambolen-kazo ity ny Loholona voafidy tao amin’ny Faritanin’i Toliara, Andriamatoa Mahonjo Hugues, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Morondava, tompon’andraiki-panjakana maro, ny mpitandro ny filaminana ary ny mponina ao an-toerana.
🌧🌱Mbola ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tanteraka isika izao, fotoana izay tena mety indrindra anatanterahana fambolen-kazo satria ampy rano ny zanakazo.🌳
🌿🌱Asaina hatrany isika hanao laharam-pahamehana ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo zanakazo novolentsika ireo mba hampahomby ny fambolen-kazo izay natao.🌳
Date de publication : 25 mars 2025

Suivre d'autres actualités