🌳🏡Ho fampiroboroboana ny fandraisana andraikitra ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy eny anivon’ny orinasa tsy miankina dia nisitraka fampiofanana mahakasika ny Responsabilité Sociétale des Entreprises #RSE ny mpiasa miisa 49 avy eo anivon’ny ireo orinasa mivondrona ao anatin’ny Groupement des Entreprises Franches et Partenaires (#GEFP). Ny orinasa #INNOVEO izay matihanina momba ny fametrahana maodelim-pitantanana RSE no nanatanteraka ny fampiofanana miaraka amin’ny tantsoroka avy amin’ny Fandaharanasa #PADEIR.🌿
🌿🌵Ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD, ny #GEFP ary ny sehatra tsy miankina tsy ankanavaka dia miara-miasa akaiky hatrany ahafahana manamafy ny fandraisana andraikitra ataon’ny orinasa tsirairay amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.
Date de publication : 22 avril 2025

Suivre d'autres actualités