Fandrariana ny Asa An-tsokosoko: Tonga Nitsidika ny Polisy Naratra Ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy (MEDD)
Aires ProtégéesEnvironnementMinistère


Tonga nitsidika ilay Polisy naratra mafy teo am-panatanterahana ny asany tamin’ny fanenjehana ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna ao anatin’ny faritra arovana Anjanaharibe Sud ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy
(#MEDD) sy ny Madagascar National Parks
(#MNP), izay notarihan’ny Sekretera Jeneraly, Andriamatoa Moïse RASAMOELINA, nisolotena an’Andriamatoa Minisitra.

Nankahery sy nirary fahasalamana tanteraka ho an’ity Polisy naratra ity ny Ministera ary handray ny andraikitra manandrify azy amin’ny fitsaboana.

Tsy mora ny asa fanenjehana ireo mpitrandraka an-tsokosoko ary matetika mihatra aman’anina mihitsy izany, na ho an’ny Mpianala, na ho an’ny Mpitandro ny filaminana, na ho an’ireo fikambanana VOI eny ifotony. Ilaina arak’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa hahafahana mitantana maharitra ireo harena voajanahary tsy manam-paharoa eto amintsika ireo.


Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity fandratrana Mpitandro ny filaminana niniana natao ity ary tsy maintsy ho saziana araka ny lalàna misy ny tompon’antoka amin’izany..
Date de publication : 25 mars 2025