Madagasikara mandray anjara amin’ny Spring Meetings 2025 an’ny FMI sy Banky Iraisam-pirenena
Ministère
Misokatra anio 21 aprily 2025 any Washington DC ny fivoriam-be karakarain’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Filankevim-pitantanan’ny Vondron’ny Banky Iraisam-pirenena « 𝗦𝗽𝗿𝗶𝗻𝗴 𝗠𝗲𝗲𝘁𝗶𝗻𝗴𝘀 ».
Fivoriana izay iresahana sy hifanakalozana hevitra momba ireo tombon-tsoan’ny firenena tsirairay, toy ny toetry ny toekarena maneran-tany, ny fanafoanana ny fahantrana, ny fampandrosoana ara-toekarena, ary ny fahombiazan’ny fanampiana.
Ankoatran’ireo atrikasa iraisana amin’ny rehetra, ho an’i Madagasikara dia maro ihany koa ny fihaonana sy atrikasa manokana izay atrehan’ny delegasiona izay tarihan’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 sy ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘓𝘰𝘷𝘢𝘪𝘯𝘫𝘢𝘧𝘺 ary ny 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘰𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘍𝘰𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢. Miaraka amin’izy ireo ihany koa ny 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘴𝘢𝘥𝘢𝘰𝘳𝘰𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘌𝘵𝘢𝘻𝘰𝘯𝘪𝘢.
Marihana fa hiompana amin’ny sehatry ny asa « 𝒍’𝒆𝒎𝒑𝒍𝒐𝒊 : 𝒍𝒂 𝒗𝒐𝒊𝒆 𝒅𝒆 𝒍𝒂 𝒑𝒓𝒐𝒔𝒑𝒆𝒓𝒊𝒕é » ny lohahevitra amin’ity andiany vaovao ity.