๐๐ฅ๐ฒ๐ฌ ๐ฆ๐ฝ๐ฟ๐ถ๐ป๐ด ๐ ๐ฒ๐ฒ๐๐ถ๐ป๐ด๐ : ๐ณ๐ถ๐๐ผ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ธ๐ฎ๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ผ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ป๐ด๐ผ๐๐ผ ๐ฒ๐๐ผ ๐๐ณ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ.
Washington DC,

21 Aprily 2025

Fivoriana fahatelo natrehan’ny delegasiona Malagasy ity fihaonana ity izay niarahana tamin’ny vondron’ny Afrique II ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena ary mitondra ny lohahevitra : ย ยป ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ญ๐ข๐ญ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐จ๐ฐ๐ท๐ฐ ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐๐ง๐ณ๐ช๐ฌ๐ข – ๐๐ญ๐ข๐ณ๐จ๐ช๐ณ ๐ญโ๐ข๐ค๐ครจ๐ด ๐ข ๐ญโ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ณ๐จ๐ช๐ฆ ๐ฆ๐ฏ ๐๐ง๐ณ๐ช๐ฒ๐ถ๐ฆ. ยซย

Samy nanaiky ireo rehetra nivory fa mbola ambany dia ambany ny tahan’ny mponina misitraka herinaratra raha ny eto Afrika no jerena.
__

Koa tsy maintsy miara-miasa ny firenena tsirairay ahafahana mampiakatra haingana io taha io, ary isan’izany ny tetikasa ยซย ๐ ๐ถ๐๐๐ถ๐ผ๐ป ๐ฏ๐ฌ๐ฌย ยป. Nisy noho izany ny fifampizarana sy fifanakalozana mahakasika ny traikefan’ireo firenena izay nandray fitenenena amin’ny fanatanterahana ireo tetikasany izay efa vita na andalam-pahavitana.

Raha ho an’i Madagasikara manokana dia ny tetikasa Volobe sy Sahofika no tafiditra anatin’ity farany, izay hampisitraka herinaratra faritra maro eto an-toerana.

Laharam-pahamehana napetraky ny Filoha ihany koa izany satria andry iray iankinan’ny fampandrosoana ny fanana angovo ara-dalร na raha tsy hiteny afa-tsy ny fananganana orinasa izay hiteraka famoronana asa vaovao ary fanatsarร na ny farim-piainanโny mponina.

Marihana moa fa tao anatinโizay rehetra izay dia nisy hatrany ny famporisihana ny rehetra aminโny fampiasana ny angovo azo havaozina.
Date de publication : 25 avril 2025